RSS

Témoignage Batisa 04 oct 2009

®    Madame Vololona

Témoignage Batisa Mme Vololona 4 oct 2009

Témoignage Batisa Mme Vololona 4 oct 2009

Ny anarako dia Raherivololona Hanitriniaina. Tamin’ny 25 Desambra 2005 no nandraisako an’I Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ahy teto Ankadifotsy.

Noho izany nandraisako an’I Jesosy izany dia nahazo hery aho ary tsapako tokoa fa zanak’Andriamanitra aho sady mpiray lova Aminy.

Tamin’izay indrindra no nahatsapako fa mpanota aho teo aloha ary izany fahotako izany no nahatonga an’I Jesosy Kristy ho faty teo ambony hazo fijaliana. Maty Izy hisolo ny heloko ary ny ràny izay nalatsany no nanadiovany ahy ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Ary ankehitriny dia mino aho fa Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy ahy, voavela ny heloko, ary ny finoako Azy dia ampy ahavonjy ahy. Miroso amin’ny batisa aho mba ho tena iray ao amin’ny Kristy ary hiditra ho isan’ny mambra sady handray anjara amin’ny asa fanompoana eo anivon’ny fiangonana.

Izany rehetra izany dia ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Amena.

®    Henintsoa

Témoignage Batisa 4 oct 2009 Henintsoa

Témoignage Batisa 4 oct 2009 Henintsoa

Je m’appelle Ratovo Henintsoa Isha et j’ai été élevée dans le christianisme depuis mon enfance (église, club, culte familial, etc), mais je faisais tout ça parce que c’est ce qu’il fallait faire et non parce que j’avais une bonne relation avec Dieu, j’aimais quand même le culte du soir parce qu’on nous racontait de belles histoires et on chantait mais je savais aussi que ce n’était pas assez sauf que je me décidais pas à recevoir Jésus comme mon Sauveur et Maître personnel.

Ce n’est qu’en 1999 à Antsirabe pendant le « Sekoly Alahady » que j’ai été convainque que j’étais perdue et que j’avais besoin de Jésus, alors je l’ai accepté dans mon cœur. Ma vie n’a pas tout de suite changé, vu que j’étais encore une enfant. Mais je vois progressivement que je change quand même, en bien ! Et malgré les erreurs que je commets ou si je m’égare un peu, le Seigneur est toujours là pour me reconduire sur le droit chemin. Et c’est ce qui est bien avec Jésus. Tu as toujours une assurance qu’Il est près de toi.

Maintenant, j’ai décidé de me faire baptiser parce que je veux obéir à sa parole, c’est un commandement de Dieu mais aussi un témoignage, devant tout le monde que je suis sauvée. Je m’engage également à le servir toujours un peu plus dans la chorale et peut-être aussi dans l’évènementiel mais je demande quand même des prières pour que je puisse vraiment trouver dans quel domaine Il veut que je le serve.

®    Faly Mikaia

Témoignage Batisa 4 oct 2009 Faly-Mikaia

Témoignage Batisa 4 oct 2009 Faly-Mikaia

Hoy Paoly ao amin’ny Filipiana 3:13-14 : « Ry havana, tsy mihevi-tena ho efa nahazo ny amboara sahady aho ; fa zavatra iray ihany no ataoko : manadino ny efa nodiaviko ka mikely aina fatratra ho tody amin’izay kendrena. Miezaka hahatratra ny tanjona aho mba hahazoako ny amboara, dia ny fiainana iraisana amin’i Kristy Jesosy ka iantsoan’Andriamanitra any ambony any ».

Zanaka notezain’ny ray aman-dreniko tamin’ny fivavahana aho tamin’ny fahakeliko, nanana ny fiangonany ny raiko ary Batista Biblika ny reniko. Izany hoe : nivavaka tany amin’i Dada aho, sy asabotsy hariva namonjy club du samedi any amin’ny fiangoanana narahan’i Mama, sahala amin’izany koa ny alahady (marain-tsy hariva any amin-piangonana), ary mpamonjy fotoan-kariava foana aho ny alarobia. Sady zanaka Batista aho izany no zanaka notezaina tamin’ny fivavahana ihany koa nisy an’i Dada. Ireo rehetra ireo dia  mbola niampy ny fandraisako ny Tompo ny taona 1992, satria mba te hitovy amin’ny ankizy sahala ny tenako koa aho tamin’izany, mitsangana rehefa avy omena fotoana fahanginana fohy ary manonona fotsiny ny hoe “izaho dia mandray an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ahy”. Roa taona taorian’izay, ny volana aprily 1994, ny marimarina kokoa, tena resy lahatra aho, sahala ny olona resy lahatra fa mahasitrana ny fanafody, fa i Jesosy  no tena Mpamonjy ka vonona aho nampiditra azy tao am-poko sy hanao Azy ho Mpanjaka. Vokany, niha-nitombo ny fitiavako ny tenin’Andriamanitra, lasa tsy an-tery intsony ny famonjena ny fanompoam-pivavahana rehetra, ary lasa tena tiako ny mivavaka, na miaraka aman’olona na tsia : niha-mora ny fifandraisako tamin’Andriamanitra.

Nisy anefa ny fotoana nanaisorako ny fitokisako tamin’Andriamanitra ary namelako ny tenako ho olona malalaka tsy misy mifehifehy, ny hahatafita ahy teo amin’ny fianinana no tena nimasoako, na amin’ny lafiny ara-materialy izany na ara-pahaizana, ary amin’ny alalan’ny herin’ny tenako manokana ihany. Tsy nino mihitsy aho tamin’izany fotoana izany fa ny fitokisana amin’Andriamanitra dia mitondra voka-tsoa ho ahy manokana, sy ho an’ny olona rehetra izay mino azy. Ny fahitako ny olona tena mifikitra amin’ny fivavahana dia toa olona sahiran-dava izany, matetika mindram-bola aman’olona, tsy manan-katao ohatra ny jentilisa. Tsy nandroaka an’i Kristy izay efa nekeko tao am-poko anefa ny fironana hafa noezahiko narahina fa nanongana azy teo amin’ny toerana maha-Tompo azy fotsiny. Tsy izany anefa no tena fahamarinana ary tsapako tokoa ankehitriny fa izy tena manome, ary manome be dia be. Ka na dia ny fahasalamana, ny fianakaviana sy ny namana ahafahako mivelatra sy miara-mitombo, eny na dia ny fahalalako fotsiny aza dia tena harena lehibe. Izaho no tsy nahatsapa ny maha-zava-dehibe azy ireo rehefa tsy nihevitra afa-tsy trano mijoalajoala sy fiara tsara tarehy ary taranaka maro be no maha-rangahy ahy. Ankehitriny, tsapako fa lehibe ny fiadanana ampidiriny ao anatiko, tena sarobidy loatra izany, indrindra fa amin’izao andro mihasarotra izao. Sarobidy ihany koa ny fitiavana ampianariny ahy, sy handrisian’ny teniny ahy mba asehoko amin’ny hafa. Manan-danja tokoa ny fahasoavana izay tsy vidiana akory na iangaviana ny Tompo mba arotsany, fa tena maimaim-poana. Tena sambatra ny fo manana Azy.

Ny fotoana nanapahako hevitra hirosoana amin’ny batisa no fotoana nahatsapako ny tsy fandaozan’Andriamanitra ahy na oviana na oviana  satria tsy misy maharombaka izay eo an-tananany tokoa, na dia toa inona aza ny heloka efa vitako, na tena mavesatra aza ny lasako hitan’ny olona sy tsapako. Ny batisa amiko dia manamarika fa mifamatotra amiko i Kristy ary mihamafy orina izany fifandraisanay izay, ao anatiko ao sy eo imason’ny olona. Tsy fotoana fanaovana fety tsinona ny batisa na fiaraha-mifaly fotsiny ihany fa fotoana koa hanambarana fa iray ihany izaho sy ny fiangonana ary ambarako etoana fa vonona aho hitandro sy hanao izay hampandroso ny tenan’i Kristy. Mazoto aho amin’ny asa fanompoana, dia ny firosoana amin’ny fampianarana ny anjara natokana ho an’ny ankizy, ny fisahanana ny lafiny serasera eo anivon’ny fiangonana (internet miaraka amin’I Laza, fampitana vaovao, sns), ny hanohy hatrany ny fanompoana eo anivon’ny chorale, satria mbola tsy nahazo ny amboara koa aho fa miezaka hanatratra marika hatrany.

Isaorana anie Andriamanitra!

 

2 réponses à Témoignage Batisa 04 oct 2009

  1. A.R.M.

    18 janvier 2010 at 17 h 02 mi

    Tsy rariny ilay sary e! Misy mba nilailay nahazo pupitre ihany anie tao e! hi hi

     
    • Laz

      20 janvier 2010 at 11 h 39 mi

      Bjr, izao ilay hoe miasa fa tsy kabary e!

       

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

 
Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.