Misaotra an’Andriamanitra isika fa nahatratra ny taona vaovao 2011 indray, ‘IZY anie no homem-boninahitra mandrakizay, Amen’
Mirary antsika rehetra ho samy eo ambany fahasoavan’Andriamanitra mandrakariva araka izany mandritra ity taona vaovao ity, ka na ho soa na ho ratsy no hitranga amintsika dia hatahotra sy hatoky Azy lalan-dava anie isika …
‘Fa IZY no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary IZy no mihazona azy, sady IZY koa no antony …Amen’ Romana 11:36
Ny Vaovao faramp-aran’ny taona dia misy tokoa ka ho finti-pitiniko aloha fa raha misy moa ny fotoana dia mety hidirana lalina ihany amin’ny manaraka.
20e FBB Ankadifotsy tamin’ny 19 déc 2010
Tanteraka soa aman-tsara ny fotoana rehetra, ny maraina dia faompoam-pivavahana tsotra (tsy nanasana olon-kafa ankoatra ny fiangonana, amin’ny ankapobeny). Ny hariva kosa dia ny fampahatsiahivana ny tantaran’ny fiangonana nandritra izay 20 taona, izay miaraka tamin’ny antsa-piderana niarahana tamin’ny Chorale ka ny hira natao rehetra dia izay an’ny mpamoron-kira teto amin’ny fiangonana ihany : Faly, Gaby, Laza, Poossy, Claude, Njaka, Vololona Rabemananjara, Vololona Raharison, Loholona José, Pst David..).
Isaorana etoana ireo rehetra nikarakara mivantana iny fety iny (équipe évènementiel) , isaorana araka-izany koa ireo nanampy tamin’ny fomba maro isan-karazany : “tsy ho foana tsiakory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” tompoko.
Krismasy ankizy alahady 26 déc 2010
Tanteraka ihany koa ny fiderana miaraka amin’ny tsianjery (avy ao amin’ny soratra Masina) nataon’ny ankizy teto amin’ny fiangonana niaraka tamin’ny ankizy eto amin’ny fonkon-tany izay anaovana fitoriana isaka ny Sabotsy hariva. Marobe tokoa ny ankizy nandray anjara ka ny faniriana dia mba ho hisy tavela ao am-pon’ny ankizy ireny hira sy Tenin’Andriamanitra nianarany ireny hitarika azy amin’ny famonjena ny fanahiny.
Révéillon tanora 2010
Niaraka nanao révéillon ny tanora tamin’ny 31/12/2010 teny Ampitatafika (Deraina sy Mendrika ). Tanteraka ihany koa izany noho ny fahasoavan’Andriamanitra koa isaorana Azy tokoa. Betsaka ny fifaliana, ny sakafo, ny fiderana, ny lalao, ny témoignage…. Tanora koa moa na ny mpikarakara na ny karakaraina. Misaotra manokana ny mpampiantrano fa tena afa-po tompoko.
Izay aloha àry no azo atolotra hatreto ka dia mirary soa mandra-kariva ho an’izay mitsidika eto.
Laza