Faly miarahaba antsika rehetra indray rehefa avy tsy nanoratra elaela ( mba niala sasatra sa kamo aho?)
Ny vaovao dia be tokoa nandritra iny volana octobre iny ary ny novembre sy décembre koa tsy latsa-danja amin’ny vaovao.
1-Ny BATISA tamin’ny 4 octobre lasa teo
Nisy 9 mianadahy izireo no natao batisa tamin’io ka ny ankamaroany dia tanora avokoa : Njaka, Tahina, Herilala, Henitsoa, Hasina, Mirah, Mme Vololona, Faly Mikaia ary Fandresena. (Tsindrio eto na eo amin’ny sary raha hijery album photo Batisa 2009 001)
2-Nisy ihany koa ny fanokanana ireo diakona efa nozahana toetra 2 taona teo ho eo izay izay natao amin’ny 25 octobre lasa teo teny amin’ny Cercle Mess Betongolo. Nisy fito mianadahy izireo tamin’izany ka ny iray dia vehivavy (Tantine Alice Radaniela). Fanokanana, izany hoe fametrahana ami’ny fomba manetriketrika azireo amin’ny asa fanompoana diakona no natao
3-Tamin’io fotoana io ihany koa (fanokanana diakona) no ‘nanirahana’ tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny Pst Frédéric Razafimaharo mianakavy hanohy fianarana, hatramin’ny Doctorat raha sitraky ny Ray. Any Bangui Centrafrique no handeha izireo ary mety haharitra 4 taona izany fianarana izany. Manentana antsika hanohana azireo am-bavaka sy ara-bola (mbola hisy fanazavana fanampiny amin’ny manaraka)
4-Omaly 01 novembre dia nisy ny fivorian’ny mpandray ka zavatra maromaro no voadinika tao, tsy ho voatanisako eto fa vitsy ihany aloha no lazaiko androany toy ny hoe : efa misy modely dabilio tonga ato am-mpiangonana k manentana ny tsirairay mba hanao ezaka ny amin’ny fividianana izany, 325 000 fmg ny iray/ Tarif hatramin’ny faran’ny taona io an! norehahina tao ihany koa ny mikasika ny fety amin’ny faran’ny taona :
- 25 décembre maraina culte krismasy + fiderana ataon’nyt Ankizy
- 26 décembre tontolo andro (9ora maraina- 9 ora alina!) fiderana an’Andriamantira noho ny mpanompony Pst Ratovo David mivady izay nahatratra ny faha 20 taona niasany teto amin’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadifotsy, 35 taona niasany ho matihanina, 30 fanambadian’izireo (mila misoratra anarana izay ho tonga hanamorana ny fandaminana) ny toarana dia ao amin’ny Cercle mess Betongolo ihany
- 27 décembre (Alahady io) dia misy culte ihany + concert Chorale
(Rmarque : ny an’ny zatovo dia atao volana janvier 2010, mbola holazaina manaraka ny daty marina)
Voaresaka tao ihany koa ny amin’ny asa fitoriana ny filazan-tsara izay sahanin’ny fiangonana : Antsahabe- Ambatomanjaka- ny stand biblique izay haorina eo ampiatan’ny Espace Medicale, ny fitoriana eny amin’ny HOMI izay efa nahazoana alàlana fa miandry daty avy aty amintsika hanaovana azy mitohy. Ka hivory ny Departemantan’ny fitoriana handinika tsara sy handamina ireo dia hilaza amin’ny fiangonana izay fomba hiasana avy eo.
Noresahana ihany koa ny LASY FIANAKAVIANA izay atao amin’ny taona 2010 ka hatreto aloha dia ny Département Evenementiel no nametrahana ny fandinihana azy io ka izireo no hanolotra daty 2 izay hisafidianana, da avy eo vao manomboka ny fanomanana rehetra.
Izay indray ary aloha ny vaovao azoko nambara fa raha sitrapon’Andriamanitra dia hisy ihany ny olona hanatevina amin’ny fampitana ny vaovao eto.
Mirary ny fahasoavan’Andriamanitra ho antsika rehetra
AZA ADINOINA NY MBA MAMETRAKA COMMENTAIRE REHEFA MANDALO NAREO AN!
Laza
Archivé sous: Vaovao | Tagué : Batisa 2009, batisa ankadifotsy, Fiangonana batista biblika ankadifotsy, vaovao batista octobre

Miarahaba antsika rehetra indray.
Mankasitraka ny fanomezam-baovao tahaka itony fa dia tena mampanembona tokoa e. Mampi-te hiteny hoe “Raha mba tany mantsy izahay an!” Fa aty aloha no napetraky ny Tompo amin’izao fotoana izao dia mifaly foana e.
Mikasika ny fandehanan’i Pasteur Frederic mianankavy any Bangui, mba ilazao ry zareo azafady indrindra raha toa ka handalo eto Nairobi fa malalaka ny trano ary tena vonona handray azy ireo izahay, azony atao mihitsy ny somary maka andro vitsivitsy ijanonana eto – mba omeo azy ny contact-nay azafady indrindra dia afaka manazava bebe kokoa aminy izahay.
Momba ilay fotoana amin’ny 26 Desambra indray dia manararaotra misoratra anarana eto izany izahay mivady e. Ho avy izahay amin’io fotoana io fa mba ilazao mialoha izay fiomanana tokony hataonay avy aty.
Misaotra an’i Laza sy ny ekipany amin’ny fikarakarana ny site fa tena tsara e
Shalom.
Olivia sy Serge