Bonjour daholo ianareo,
Faly misaotra an’Andriamanitra indray isika noho ny fahavitan’ny fihaonam-ben’ny FFBBM tany Mahajanga tamin’ny fara-paran’ny volana aout sy ny voalohan’ny volana septembre. Betsaka ny kristiana Batista izay afaka namonjy ny fivoriana na dia teo aza ny halavitry ny làlana.
Tanteraka araka izany ny lasy nataon’ny vehivavin’ny FBBM ny 24 -25- 26 aout, ny fivoriana ho an’ny rehetra ny 27-28-29-30 aout, ary ny lasin’ny tanoran’ny FFBBM ,u 31 aout-4 sept 2009 izay sany natao tany Mahajanga avokoa.
Faly sy nisaotra an’Andriamanitra tokoa ny fiangonana FFBB Mahajanga (ny maro!) fa taneraka izany fivoriana izany ary indrindra noho ny fitahian’Andriamanitra dia efa ho 25 taona ny fiangonana any izao, ary fiangonana 5 no misy ao an-drenivohitr’i Mahajanga ao.
Voafidy tany ihany koa ireo Conseil d’Administration FFBBM izay novidian’ny délégués hitantana indray mandritra ny 3 taona manaraka ka ireto avy izireo :
Filoha Pst Ratovo David, lefitra loholona Alfred Ranaivoson, Sekretera jeneraly Pst Christian Razafisolo, mpita-mbola Pst Rasetarison Samuel, mpiandraikitra ny tanora Pst Rasolonjatovo Céléstin, mambra Pst Andrianavalona, Pst Andrianome, Dr Adrien, Pst Razafimaharo Frédéric, ary Pst Ralambondrainy Willy.
Ny fampianarana tany izay nentin’i Pst Paul, Pst Andrianavalona, Pst Willy, ary Pst Ravaka sia vita MP3 ka azo vidiana 5000fmg any amin’ny studio vaovao mahafaly, hisy koa aza ny vcd ao aoriana kely, raha sitrapon’Andriamanitra dia mety ho hita eto koa ny famintinana ireo fampianarana ireo amin’ny format Power Point.
Dia izay indray aloha no azo natolotra androany fa manao veloma anareo
Laza
Archivé sous: Vaovao | Tagué : batista biblika, batista biblika eto madagasikara, batista malagasy, ffbbm, fiangonana batista, fihaonam-be batista, fivoriam-be 2009


