Vaovao 9 août 2009

Manakory aby ô!

Zay ndray vao nahasoratra e!

Ny vaovao dia betsaka fa hiezaka hanoratra sy handefa sary tsikelikely amin’ity herinandro ity.

1-Vita ny fivorian’ny mpandray izay natao ny 25 juillet 2009 teo ka zavatra maromaro no tapaka tamin’izany : (vitsivitsy ihany no ambara eto) – mihatsara ny toe-bolan’ny fiangonana raha oharina tamin’ny voalohandohan’ny taona iny

- mitohy manohana an’i Olivia sy Serge ihany ny fiangonana

- I Heritiana sy Lova dia mijanona ao Antsirabe ihany aloha mandritra ny 1 taona avy eo dia hohirahin’ny fiangonana ho any Toloary (Ho mpitandrina matihanina any raha sitrapon’Andriamanitra)

- hatao ny ‘réparation’ tohatra (efa manomboka)

- hanomboka ny ezaka seza ato am-piangonana

- naseho teo anatrehan’ny mpandray ireo izay kasaina hatao batisa mba nofantarina na ‘azo’ atao batisa daholo na misy tsia… mbola hiverina izireo amin’ny 15 aout 2009 hanao ny fijorony vavolombelona avy.

- haseho torak’izany koa ireo diakona izay ho fidiana atsy ho atsy rehefa avy nozahan-toetra nandritra ny 3 taona !

…Fa mbola hitohy ny fivoriana amin’ny 16 aout 2009

2-Tamin’ny alahady 02 août 2009 dia niara-nakalaza an’Andriamanitra noho ny faha-20 taonany tamin’ny FBB Iavoloha izahay. Rom 8 : 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.Izay no lohahevitra nobanjininizireo nandritra izany. Pst Honoré (Fbb Amboanjobe) izay zanaka ampielezan’ny fiangonana Batista Iavoloha ihany no nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana logo, ary Mme Sahodra avy amin’ny fiangonana Batista Antsiranana no nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tononkalo. Mbola hisy pejy manokana moa hatokana ho amin’izany. Fa dia tena faly nisaotra an’Andriamanitra ny rehetra tamin’ny Asany tamin’iny faritra iny izay nahafahana nitory ny filazantsara hatramin’izay ka hatramin’izao.

3-Vita soa aman-tsara koa ny sortie tany Marozevo izay nataon’ny zatovo, na dia saiky niharan-doza aza ny fiara nitondra azireo! (ho avy ny sary !)

4- Vita omaly 9 aout ihany koa ny fotoana famaranana ny sekoly alahady sy asabotsy teto am-piangonana (ho avy koa ny sary sy ny famin-tinana)

5-Tsy natao ny 7-08-09 teo indray ilay fampianarana ‘internet’ saika hatao tany amin’i Tahina fa atao ny Sabotsy 15 aout 2009 izao indray aty am-piangonana, hanasana izay rehetra liana ny amin’ny internet, blog (mis-à-jour), …. na zatovo na tanora na lehibe. Tena fampiharana avy hatrany no hatao.

Dia izay indray aloha fa manao veloma anareo

Aza adinoina ny mba mametreka commentaire rehefa mandalo an!

Laza Raharison


Laisser un commentaire