Faly miarahaba antsika rehetra indray
Toy izao vaovao tamin’ny alahady teo
1-Nodimandry Pst Rasolofo Sammuel nitandrina ny fiangonana Batista Biblika Andraisoro tamin’ny sabotsy 4 juillet 2009 teo. Efa namangy teny ny fiangonana ny alahady hariva
2-Tafaverina soa aman-tsara ireo ‘Chorale’ izay nandeha tany Menabe Ambohimandroso (Ambatolampy) tamin’ny sabotsy sy alahady teo izay notarihin’i Pst Christian Razafisolo. Ny tena natao tany moa dia fifanatrehan-tava tamin’ireo mpihaino ny fandaharan’i Pst Christian amin’ny radio, sady fitoriana rahateo koa, ny sabotsy io ary ny alahady kosa dia fampaherezana sy fampianarana ny fiangonana (Misy fiangonana Batista mantsy ao). Mbola hisy fotoana angamba hanaovan’ireo izay tany tatitra misimisy kokoa.
3-Nisy fivorian’ny mpampianatra ankizy sy zatovo rehetra ny alahady hariva teo ka noresahina tamin’izany fa
- atao ny alahady izao, 12 juillet 2009 ny famaranana ny taom-pianarana ho an’ny eny Antsahabe (Claude, Haja, Clarisse moa no moniteur maharitra eny);
- atao ny 1 août 2009 ny ’sortie’ an’ny zatovo ka ny toerana dia any amin’ny valan-java-boary Marozevo, Mandraka (làlan’i Toamasna izany)
- atao ny 2 août 2009 ny famaranana ny taom-pianarana sekoly sabotsy sy alahady eto Ankadifotsy
4-Mampahatsiahy fa hisy “Veillée” hiarahan’ny zatovo sy tanora izay handinihina ny lohahevitra hoe ‘ Ny Safidy‘ (vady) ary indrindra ny hoe ‘Ahoana izany miandry’, izany hoe ny fomba tokony hiainana mialoha ny fotoana hanambadiana. Ny fotoana dia ny zoma 10 juillet izao ary ny toerana hanaovana azy moa dia any amin’i tantine Mamy Ratovo, izy koa no hampianatra. Amin’ny 6ora no fifamotoanana eo amin’ny essence Analamahitsy.
5-Hisy fivorian’ny mpandray ny 25 juillet 2009 izao ary hisy araka izany ny fiarafa-mivavaka ny sabotsy alohan’io amin’ny 9 ora maraina.
6-Efa tokony hisoratra anarana koa ny amin’ny fivoriana rehetra atao any Mahajanga mandritra ny volana août 2009 : lasin’ny vehivavy, fivoriam-be, lasin’ny tanora
Dia izay indray àry aloha fa hametraka ny veloma vetivety samy hotahian’Andriamanitra indray
Laza
Archivé sous: Vaovao