Ho an’ny chorale MP3 Zaza no teraka 01

Manakory daholo indray e!

Misy fomba andramako fanintelony indray ity ahafahanareo maka ny mp3 an’ilay hira ‘Zaza noteraka’

Tsindrio eto hakanao ny mp3

Tsindrio eto hakanao ny mp3

Raha tonga dia vakian’ny media player ilay izy dia tsara kokoa raha atao bouton droit dia:

-“enregistrer la cible du lien sous..” (raha  firefox ny navigateur)

-“enregistrer la cible  sous…” (raha  internet Explorer ny navigateur)

-“enregistrer  lien sous…” (raha  chrome ny navigateur)  ……dia mifidy repertoire asiana azy dia OK,

…tonga dia mety io ! (enga anie!). Mba ilazao aho raha mety ry ‘reto an!

Ka raha mety io dia ho hitantsika eto mialoha ny ankamaroan’ny hira atao amin’ny krismasy ahafahanareo mianatra izany tsara any antrano, raha sitrapon’Andriamanitra !

Laz

Mbola ho an’ny chorale ihany

Bonjour daholo indray e!

Ialana tsiny fa tsy nety ny fandefasana ilay hira ‘Zaza no teraka’ MP3 teny malagasy tamin’ny ‘post’ teo aloha iny.

Ka inty aloha ny fichier midi  Zaza no teraka  Heandel(azo vakianana amin’ny Windows media player, azo ovana ao koa ny tempo, ohatra hoe atao miadana tsara…) mandra-piandry ny solution MP3.

Ka rehefa voatsindrinao eo amin’io lien io dia araho ity sary ity (azonao tsindriana avy hatrany koa ny sary f amisy lien) :

fomba hakana ilay fichier midi 'zaza no teraka'

fomba hakana ilay fichier midi 'zaza no teraka'

Mazotoa mianatra hira daholo àry ô!

Laz

Ho an’ny chorale ity

Ity andramako ity ny lien misy ilay hira Zaza no teraka an’i Handel, hira amin’ny fiteny malagasy.

Login : ny prénom-ako

Mot de pass : anaran’ny boky voalohany nosoratan’i Mosesy

Samy atao minuscule daholo ireo an!

Raha tsy mandeha dia hivereno tsindraindray fa ’sahirana’ ny serveur. Raha tena tsy mandeha hatramin’ny alakamisy dia hitadiavako hevitra hafa indray

 

Mazotoa daholo e!

Laz

Sary Batisa Album 002

Salama daholo ô

Misy Album Photo Batisa 002 indray ity e!

Batisa 2009 Ankadifotsy

Batisa 2009 Ankadifotsy Album 2

Mazotoa mijery fa betsaka ny sary , sady mbola hiampy

Misaotra an’i Fils naka ny sary

Hisy fanampim-dahatsoratra mikasika ny batisa sy ny ‘diakona’ hoavy tsy ho ela.

Laza

Vaovao volana oktobra

Faly miarahaba antsika rehetra indray rehefa avy tsy nanoratra elaela ( mba niala sasatra sa kamo aho?)

Ny vaovao dia be tokoa nandritra iny volana octobre iny ary ny novembre sy décembre koa tsy latsa-danja amin’ny vaovao.

1-Ny BATISA tamin’ny 4 octobre lasa teo

Nisy 9 mianadahy izireo no natao batisa tamin’io ka ny ankamaroany dia tanora avokoa : Njaka, Tahina, Herilala, Henitsoa, Hasina, Mirah, Mme Vololona, Faly Mikaia ary Fandresena. (Tsindrio eto na eo amin’ny sary raha hijery album photo Batisa 2009 001)

Batisa 4 oktobra 2009 Ambatofotsy

Batisa 4 oktobra 2009 Ambatofotsy

2-Nisy ihany koa ny fanokanana ireo diakona efa nozahana toetra 2 taona teo ho eo izay izay natao amin’ny 25 octobre lasa teo teny amin’ny Cercle Mess Betongolo. Nisy fito mianadahy izireo tamin’izany ka ny iray dia vehivavy (Tantine Alice Radaniela). Fanokanana, izany hoe fametrahana ami’ny fomba manetriketrika azireo amin’ny asa fanompoana diakona no natao

3-Tamin’io fotoana io ihany koa (fanokanana diakona) no ‘nanirahana’ tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny Pst Frédéric Razafimaharo mianakavy hanohy fianarana, hatramin’ny Doctorat raha sitraky ny Ray. Any Bangui Centrafrique no handeha izireo ary mety haharitra 4 taona izany fianarana izany. Manentana antsika hanohana azireo am-bavaka sy ara-bola (mbola hisy fanazavana fanampiny amin’ny manaraka)

4-Omaly 01 novembre dia nisy ny fivorian’ny mpandray ka zavatra maromaro no voadinika tao, tsy ho voatanisako eto fa vitsy ihany aloha no lazaiko androany toy ny hoe : efa misy modely dabilio tonga ato am-mpiangonana k manentana ny tsirairay mba hanao ezaka ny amin’ny fividianana izany, 325 000 fmg ny iray/ Tarif hatramin’ny faran’ny taona io an! norehahina tao ihany koa ny mikasika ny fety amin’ny faran’ny taona :

- 25 décembre maraina culte krismasy + fiderana ataon’nyt Ankizy

- 26 décembre tontolo andro (9ora maraina- 9 ora alina!) fiderana an’Andriamantira noho ny mpanompony Pst Ratovo David mivady izay nahatratra ny faha 20 taona niasany teto amin’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadifotsy, 35 taona niasany ho matihanina, 30 fanambadian’izireo (mila misoratra anarana izay ho tonga hanamorana ny fandaminana) ny toarana dia ao amin’ny Cercle mess Betongolo ihany

- 27 décembre (Alahady io) dia misy culte ihany + concert Chorale

(Rmarque : ny an’ny zatovo dia atao volana janvier 2010, mbola holazaina manaraka ny daty marina)

Voaresaka tao ihany koa ny amin’ny asa fitoriana ny filazan-tsara izay sahanin’ny fiangonana : Antsahabe- Ambatomanjaka- ny stand biblique izay haorina eo ampiatan’ny Espace Medicale, ny fitoriana eny amin’ny HOMI izay efa nahazoana alàlana fa miandry daty avy aty amintsika hanaovana azy mitohy. Ka hivory ny Departemantan’ny fitoriana handinika tsara sy handamina ireo dia hilaza amin’ny fiangonana izay fomba hiasana avy eo.

Noresahana ihany koa ny LASY FIANAKAVIANA izay atao amin’ny taona 2010 ka hatreto aloha dia ny Département Evenementiel no nametrahana ny fandinihana azy io ka izireo no hanolotra daty 2 izay hisafidianana, da avy eo vao manomboka ny fanomanana rehetra.

Izay indray ary aloha ny vaovao azoko nambara fa raha sitrapon’Andriamanitra dia hisy ihany ny olona hanatevina amin’ny fampitana ny vaovao eto.

Mirary ny fahasoavan’Andriamanitra ho antsika rehetra

AZA ADINOINA NY MBA MAMETRAKA COMMENTAIRE REHEFA MANDALO NAREO AN!

Laza

Fihaonam-be FFBBM Mahajnga 2009

Bonjour daholo ianareo,

Faly misaotra  an’Andriamanitra indray isika noho ny fahavitan’ny fihaonam-ben’ny FFBBM tany Mahajanga tamin’ny fara-paran’ny volana aout sy ny voalohan’ny volana septembre. Betsaka ny kristiana Batista izay afaka namonjy ny fivoriana na dia teo aza ny halavitry ny làlana.

Fihaonam-be FFBBM Mahajanga 2009 - photo 1

Fihaonam-be FFBBM Mahajanga 2009 - photo 1

Tanteraka araka izany ny lasy nataon’ny vehivavin’ny FBBM ny 24 -25- 26 aout, ny fivoriana ho an’ny rehetra ny 27-28-29-30 aout, ary ny lasin’ny tanoran’ny FFBBM ,u 31 aout-4 sept 2009 izay sany natao tany Mahajanga avokoa.

Fihaonam-be FFBBM Mahajanga 2009 - vehivavy 1

Fihaonam-be FFBBM Mahajanga 2009 - vehivavy 1

Faly sy nisaotra an’Andriamanitra tokoa ny fiangonana FFBB Mahajanga (ny maro!) fa taneraka izany fivoriana izany ary indrindra noho ny fitahian’Andriamanitra dia efa ho 25 taona ny fiangonana any izao, ary fiangonana 5 no misy ao an-drenivohitr’i Mahajanga ao.

Voafidy tany ihany koa ireo Conseil d’Administration FFBBM izay novidian’ny délégués hitantana indray mandritra ny 3 taona manaraka ka ireto avy izireo :

Pst Jaquot (pupitre) mivavaka ho an'ny CA 10 vaovao FFBBM 2009

Pst Jaquot (pupitre) mivavaka ho an'ny CA 10 vaovao FFBBM 2009

Filoha  Pst Ratovo David, lefitra loholona Alfred Ranaivoson, Sekretera jeneraly Pst Christian Razafisolo, mpita-mbola Pst Rasetarison Samuel, mpiandraikitra ny tanora Pst Rasolonjatovo Céléstin, mambra Pst Andrianavalona, Pst Andrianome, Dr Adrien, Pst Razafimaharo Frédéric, ary Pst Ralambondrainy Willy.

Ny fampianarana tany izay nentin’i Pst Paul, Pst Andrianavalona, Pst Willy, ary Pst Ravaka sia vita MP3 ka azo vidiana 5000fmg any amin’ny studio vaovao mahafaly, hisy koa aza ny vcd ao aoriana kely, raha sitrapon’Andriamanitra dia mety ho hita eto koa ny famintinana ireo fampianarana ireo amin’ny format Power Point.

Dia izay indray aloha no azo natolotra androany fa manao veloma anareo

Laza

Vaovao 16 aout 2009

Manao ahoana daholo nareo?

Vao tamin’ny sabotsy teo moa izahay no nanoratra dia androany indray.

Manasa anareo mba hijery ny pejy ao anatiny ao ohatra hoe pejy ‘tanora’,  fa efa misy Mis-à-jour natao any, ohatra koa  pejy ‘chorale’. Indraindray mantsy ianareo mijery eto amin’ny ‘accueil’ fotsiny dia toa tsy mahita ‘zavatra’ dia lasa !

Ny vaovao moa tsy dia misy be loatra  :

1-Nitohy omaly ny fivorian’ny mpandray ka ny natao tao dia namerina nanao ‘audition’ ireo kasaina hatao batisa ato ho ato. Nanao ny fijoroan vavolombelona ny amin’ny nandraisany ny famonjena no nataonizireo ary koa nametrahan’ny mpandray fanontaniana. Tsy maintsy mandalo amin’izany moa ry zareo fa aleho mantsy mba miala nenina tsara ny fiangonana fa sao olona tsy voanvonjy akory no lasa ‘fiangonana’ eo. Ny marina aloha dia Andriamanitra ihany no tena mahalala na voavonjy tokoa ilay olona na fombafomba ihany no itiavany hatao batisa, fa ny fiangonan dia manao ny  adidiny fotsiny amin’ny fanadihadiana.

Tapaka ihany koa fa hanomboka ny fanamboarana ny seza ka ny ‘banc’ hazo no nifanarahana fa hatao;  izay mahita ‘modèle + devis’ dia afaka manosoka hevitra.

Ny tohatra dia efa ho vita tsy ho ela.

Mbola tsy vita fa atao amin’ny manaraka kosa ny tatitra isan-tsampana.

Mihevitra ny hanao fitoriana filazantsara mitohy eny amin’ny hôpitaly HOMI koa ny fiangonana ka hodinihina miandalana ny hanatanterahana izany.

2-Ny ankoatra izay dia fantatra izao fa efa nivoaka ny hôpitaly i tantine Vololona maman’i Vazoly

Dia izay indray alohan ny androany fa mametraka ny veloma mandra-pihaona ô!

Laza Raharison

sabotsy 15 aout 2009

chorale-11-10-2008bonjour daholo !

Eto am-piangonana izahay izao( Laza,  Hasina, Fils, Poossy, Tahiana). amin’ny 3 hariva eo izao. Mianatra manao MAJ an’ity Blog ity izahay.

Dia hampiditrasary izahay, sary tamin’ny sortie chorale octobre 2008.

Veloma aby ndray!

Vaovao 9 août 2009

Manakory aby ô!

Zay ndray vao nahasoratra e!

Ny vaovao dia betsaka fa hiezaka hanoratra sy handefa sary tsikelikely amin’ity herinandro ity.

1-Vita ny fivorian’ny mpandray izay natao ny 25 juillet 2009 teo ka zavatra maromaro no tapaka tamin’izany : (vitsivitsy ihany no ambara eto) – mihatsara ny toe-bolan’ny fiangonana raha oharina tamin’ny voalohandohan’ny taona iny

- mitohy manohana an’i Olivia sy Serge ihany ny fiangonana

- I Heritiana sy Lova dia mijanona ao Antsirabe ihany aloha mandritra ny 1 taona avy eo dia hohirahin’ny fiangonana ho any Toloary (Ho mpitandrina matihanina any raha sitrapon’Andriamanitra)

- hatao ny ‘réparation’ tohatra (efa manomboka)

- hanomboka ny ezaka seza ato am-piangonana

- naseho teo anatrehan’ny mpandray ireo izay kasaina hatao batisa mba nofantarina na ‘azo’ atao batisa daholo na misy tsia… mbola hiverina izireo amin’ny 15 aout 2009 hanao ny fijorony vavolombelona avy.

- haseho torak’izany koa ireo diakona izay ho fidiana atsy ho atsy rehefa avy nozahan-toetra nandritra ny 3 taona !

…Fa mbola hitohy ny fivoriana amin’ny 16 aout 2009

2-Tamin’ny alahady 02 août 2009 dia niara-nakalaza an’Andriamanitra noho ny faha-20 taonany tamin’ny FBB Iavoloha izahay. Rom 8 : 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.Izay no lohahevitra nobanjininizireo nandritra izany. Pst Honoré (Fbb Amboanjobe) izay zanaka ampielezan’ny fiangonana Batista Iavoloha ihany no nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana logo, ary Mme Sahodra avy amin’ny fiangonana Batista Antsiranana no nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tononkalo. Mbola hisy pejy manokana moa hatokana ho amin’izany. Fa dia tena faly nisaotra an’Andriamanitra ny rehetra tamin’ny Asany tamin’iny faritra iny izay nahafahana nitory ny filazantsara hatramin’izay ka hatramin’izao.

3-Vita soa aman-tsara koa ny sortie tany Marozevo izay nataon’ny zatovo, na dia saiky niharan-doza aza ny fiara nitondra azireo! (ho avy ny sary !)

4- Vita omaly 9 aout ihany koa ny fotoana famaranana ny sekoly alahady sy asabotsy teto am-piangonana (ho avy koa ny sary sy ny famin-tinana)

5-Tsy natao ny 7-08-09 teo indray ilay fampianarana ‘internet’ saika hatao tany amin’i Tahina fa atao ny Sabotsy 15 aout 2009 izao indray aty am-piangonana, hanasana izay rehetra liana ny amin’ny internet, blog (mis-à-jour), …. na zatovo na tanora na lehibe. Tena fampiharana avy hatrany no hatao.

Dia izay indray aloha fa manao veloma anareo

Aza adinoina ny mba mametreka commentaire rehefa mandalo an!

Laza Raharison


alahady 19 juillet 2009

Manao ahoana indray e!

Inona no vaovao (tamin’ny alahady teo)?

1-Tsy mbola atao indray aloha ilay fitoriana filazan-tsara sy famangiana hôpitaly saika ataon’ny tanora ny 25 juillet izao fa mbola miomana tsara daholo izay handeha.

2-Namangy an’i tantine Vololona (maman’i Vazoly) teny amin’ny hôpitaly ny fiangonana rehetra ny hariva. Ny fampaherezana ‘nomeny’ ny fiangonana dia ny hoe raha salama ianao izao dia tena manopoa an’Andriamanitra tokoa fa ny marary efa tsy fidiny. Amin’ny ankapobeny aloha dia salama izy saingy tsy mahazo ‘mihetsiketsika’ be loatra ka dia mbola mijanona eny aloha.

3-Hankalaza ny faha- 20 taonany ato ho ato ny fiangonana Batista Biblika Iavoloha ato ho ato ka manasa izay afaka hiara-misaotra an’Andriamanitra aminizireo.

4-Mampahatsiahy antsika mpandray rehetra fa hisy ny fivoriantsika ny alahady izao, 26 juillet izay, ary misy tahaka ny fanao ny fiaraha-mivavaka ny sabotsy alohan’io 25 juillet izany manomboka amin’ny 9 ka hatramlin’ny 12 ora maraina.

5-Fampahatsiahivana ihany koa ho an’ny zatovo fa hisy sortie lavitra (Marozevo 60 km miala eto Tanà) raha sitrapon’Andriamanitra ny 1 août 2009 izao ka manodidina ny 50 000 fmg ny fandraisana anjara ankoatrany sakafo. Amin’ny alahady izao mazava ho azy ny fara-fisoratana anarana ary amin’io koa ny hanomezana ny antsipirihan’ny fiaingana…

6-Amin’ny sabotsy 7 août 2009 amin’ny 2ora tolakandro dia hisy fiarahan’ny zatovo sy tanora sy izay liana ny amin’ity blog ity. fotoana natao hanaovana ‘connexion’ miaraka sy hifanoroana izay fomba fikirakirana itony blog itony.

Veloma ‘ndray ary aloha e!

Aza adinoina ny mamela ‘comment’ rehefa mandalo fa hitako ihany hoe be ny mandalo fa tsy fantatra hoe iza!

ho avy

Laza